<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Miambena izao, FFPM648</title>
<lyrics>[V1]
 Miambena izao,
 Ry fanahiko !
 Misy rafinao misaina
 Hanangoly ny malaina ;
 Be ny fandrika
 Voavelatra.

[V2]
 Miambena izao,
 Ry fanahiko !
 Mba tsy ho andevon'ota,
 Na hotaomin'ny mpanota ;
 Mivavaha izao,
 Ry fanahiko !

[V3]
 Miambena izao,
 Ry fanahiko !
 Ka tohero ny devoly,
 Raha avy manangoly ;
 Kristy raisonao
 Mba ho aronao.

[V4]
 Miambena izao,
 Ry fanahiko !
 Tsy ho ela tsy akory
 Dia ho lasa ny mahory,
 Ka ho afaka
 Ny mpiambina.

[V5]
 Miambena izao,
 Ry fanahiko !
 Fa ho avy indray ny Tompo
 Mba hampody ny mpanompo
 Ho finaritra
 Ao an-danitra.</lyrics>
<hymn_number>648</hymn_number>
<author>A. Drese</author>
</song>